PUDDING CROQUANT

Portrait de Angie
1150

PUDDING CROQUANT

Zavatra ilaina: 
 Tsy misy fatra eto fa miankina amin'izay misy

mofo dipaina efa nialona andro  na hoe “pain rassis “,
siramamy 
ronono,
atody,
asiana “cereals” misy voankazo maina mba hanome tsiro sy mba hikarepoka!

Fikarakarana azy:

Lomana amin'ny ronono ny mofo dia ampiana siramamy!
Kapohina ny atody dia atambatra ao daholo koa ny “Cereales” dia vita ! 
Asiana dibera kely manodidina ny lasitra rehetra ary arotsaka ny fangaro

Fahandro azy:

- Lafaoro vazaha: 180 dgr, fotoana nahandro: 45 minitra, 
Gouter tsotra mora sady tsy lafo!!

- Raha lafaoro gasy no nampiasaina, izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony mila jerena matetika . 

mazotoa o

Nahandron'i Niry Rafi

 

Ingrédients: 
Catégorie: