Quiche au poulet

Portrait de Angie
1151

QUICHE AU POULET 

ILAINA:

Pâte brisée 1 
Nofon'akoho 300g
Tongolobe 200g
Atody 2
Crème fraîche 3 sotro
Sakaibe 2 
Sira sy dipoavatra 
Fromazy voakiky 100g 
Menaka na dobera kely anendasana ny fangaro

FIKARAKARANA AZY:

Nendesina ny tongolobe sy sakaibe voatetika ka rehefa hita fa mendimendy dia arotsaka ny nofon'akoho efa voatetika majinika ary avela hiara mendy eo dia atokana.
Etsy andaniny kapohina miaraka ny atody sy crème fraîche, sira ary poive ka rehefa voakapoka tsara dia akambana amin'ny fangaro teo aloha 
Rehefa voafangaro tsara ireo dia araraka ao anatin'ilay pâte brisée efa vonona tsara ao anaty lasitra, ary efa somary notsindrotsindronina amin'ny sotro rovitra ,
Ampidirina lafaoro efa nohafanaina mialoha maripana 250°C ary rehefa afaka 20 minitra dia araraka eo ambony indray ny fromage râpé ka avela mahazo loko kely eo aloha, ka eo amin'ny10 minitra eo dia vita.

mazotoa ary o 

Nahandro sy sarin' i Fanirizo Arimalala 15.08.18

Ingrédients: 
Catégorie: