Quiche aux legumes

830

QUICHE AUX LEGUMES 

HO AN'NY SESIKA :
Ny antsasany : Poireaux / bleu (fromazy karazana roquefort)
Ny antsasany : voatabia sy sardine

ZAVATRA ILAINA :

poireaux
bleu (fromazy karazana roquefort)

voatabia
filet de sardine
tongolo
fromazy voakiky
sira, dipoavatra, menak'oliva
Crème liquide (300ml -500ml eo)
atody 2

ZAVATRA ILAINA ho an'ny "Pâte brisée" :
lafarina 300g
dibera 150g
rano matimaty 100g
sira

FIKARAKARANA AZY :
==> Ho an'ny "pâte brisée" :
- Afangaro daholo ny farine, dibera, sira ary rano matimaty. Polipolesina amin'ny tanana na robot
- Fonosina lamba dia atao anaty vata fampangatsiahana minitra vitsy

==> Ho an'ny legioma :
- sasana dia tetehana madinika ny poireaux .
- atao anaty lapoaly nasiana menak'oliva kely mba tsy hiraikitra,dia avela hiempo moramora (tsy asina rano an), asiana sira sy dipoavatra.
- atao toy izay koa ny fikarakarana ny voatabia fa asiana tongolo.

Raha hampiasa "pizza pan" :
- Velarina amin'ny rouleau ny paty dia atao anaty appareil.
- Rakofana poireaux sy ny fromazy bleu voasilaka ny antsasaky ny paty. Rakofana ilay voatabia sy sardine kosa ny antsasany.
- Kapohana anaty baolina ny crème liquide sy ny atody, asiana sira sy dipoavatra, dia araraka eo ambonin'ny fangaro teo. Rarahana fromazy voakiky eo ambony poireaux (atao kelikely satria efa misy ilay bleu), atao betsaka kosa ny fromazy voakiky eo ambony voatabia.
- Akatona ny appareil dia andrahoina 30 minitra amin'ny thermostat 3.

Raha hampiasa lafaoro :
- Toy io ihany ny fikarakarana fa 200°C eo amin'ny 25 minitra eo.

nahandron'i Niry Rafi