Quiche mora (lafaoro gasy)

287

Quiche mora be
zavatra ilaina:

1 pate brisée pret, 2 atody, 125 ml crème fraiche, 150 gr de mortadelle, fromage,  2 tongolo be, dibera 1 c à s , sira, dipoavatra
 
Fikarakarana azy:

hafanaina ny lafaoro 200°, eto moa dia 
Maka lasitra hanaovana ny quiche ary hosorana dibera , velarina ny pate brisée , tetehana daholo ny fromage, mortadelle ary tongolo be 
endasina kely amin'ny dibera ny tongolo be avy eo arotsaka ny mortadelle dia avela mangatsiaka.
Ao anaty bol , afangaro ny atody sy creme fraiche ary ny fromage,asiana sira sy dipoavatra , araraka eo ambonin'ilay pate brisee amin'izay ny tongolo be sy mortadelle , avy eo araraka moramora eo koa ilay fangaro dia lalorina moramora hameno ilay lasitra ...... 

Fahandro azy ; 
raha four dia 40 min eo, 200°
mila jerena matetika anefa 
raha lafaoro gasy no nampiasaina, izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 
mazotoa o

recette de Tatie Nix

Matériels: