Ragù alla bolognese

Portrait de Angie
1052

SAUCE BOLOGNAISE - RAGU BOLOGNESE - Spécialité Italien 
Ny saosy “bolognese ” dia azo ampiarahana amin’ny karazana pate rehetra fa ny tena fampiasan'ny italiana azy dia ny "tagliatelle" na koa "lasagne" ary "manaraka io vao spaghetti"

ZAVATRA ILAINA:
tongolo 2
karaoty 2
céléri 1 na 2
dibera 50g
divay mena 1 vera
Sira - dipoavatra
Toto-kenan- kisoa 250g (ny tsara dia mividy hena dia totoina : )
toton-kena omby 250g
tavin-kisoa (Lard) 100g
Saosisy (ilay matavitavy no mahatsara azy an) (ny ahy dia asiako ireny taolana misy nofony sy taviny ireny ohatra hoe tratran-kisoa, na lard misy nofony sy taviny miammmm)
Voatabia (saosy amin'ny tavoahangy fa tsy "frais" raha misy ,raha tsy misy dia voasana ny hodiny ary esorina ny voany dia "mixer"-na)
"bouillon de viande" (hena na taolana izay misy sy legioma izay misy, sira , dipoavatra, rano, ampangotrahana ela ela io bouillon io no ilaina hanamasahana ny saosy)
Ronono velona (frais entier) 1 vera
menak'oliva 3 sotro fihinanana

FIKARAKARANA AZY :
- Atao anaty vilany ny dibera sy menak'oliva ary atao afo malefaka ka rehefa mitsonika ny dibera dia arotsaka ny tongolo, karoty ary céleri voatetika madinika kely. Avela hiova loko tsara ary afangaro matetika.
- Arotsaka indray ny tavin-kisoa (lard) sy ny hena voatoto rehetra ary saosisy raha asiana dia avela ho mendimendy tsara daholo, afangaro matetika koa an.
- Rehefa mena tsara dia arotsaka ny divay mena 1 vera avela ho lasa entona (hi-évaporer), asiana sira sy dipoavatra
- Arotsaka tsikelikely ny "bouillon de viande" , iny no manamasaka moramora ny hena, tsy tokony ho maina mihitsy.
- Araraka ny saosy voatabia (ho anay vahoaka be dia 2 tavoahangy mihitsy ny saosy vao ampy anay) Tokony ho 2 ora eo ambony afo malefaka ary afangaro matetika tondrahana "bouillon" kely foana, rehefa farany mihitsy vao asiana ilay ronono.

- Rehefa vonona ny saosy “bolognese ” dia azo ampiarahana amin’ny "tagliatelle" na koa "lasagne", ary ny fromazy voakiky (tsy  voatery) izay atao eo afovoan'ny latabatra dia manisy izay tia fa tsy ny rehetra moa no manisy azy io fa manakona ny tsiron-kanina hono

FANAMARIHANA:
1) Azo hahena ireo fa natao betsaka ny anay mantsy
2) Raha te hitahiry (hanao conserve) dia atao anaty bocal na tavoahangy ny saosy efa vita io, dia averina ampangotrahina ao anaty vilany be misy rano ny bocal, saromana lamba tsy hihetsika, eo amin'ny 30 minitra eo dia vita.
3) Raha "pasteurisé" tsara toa io izy, dia tsy mila atao anaty vata fampangatsiahana intsony fa atao amin'ny toerana mangatsiatsika fotsiny, tsy tsabatsabahana.
4) ny an'ny italiana ny hena tsy mba arotsaka mialoha toy ny antsika malagasy hoe ranontsasany endasindasina vao asiana saosy, fa tena ny tongolo foana aloha vao ny hena

Nahandro sy sarin'i Andry Mamina 15/07/2016 

Mazotoa ary o !

Catégorie: