Ranom-boaloboka

493

RANOM-BOALOBOKA MENA - Jus de raisin

ZAVATRAILAINA :
voaloboka mena 2kg
siramamy mena 200g 
Rano 2L
voasary makirana 1

FIKARAKARANA :
- Tangosana tsirairay ny voaloboka, dia sasana moramora tsy ho potika
- Tanehana amin'ny rano 2L sy ny siramamy ary ranom-boasary makirana iray. Somary potsipotserina sy aroina amin'ny sotro hazo mba hivoahan'ilay loko tsara (40 minitra eo ny fe-potoana)
- Tantavanina, avela hangatsiaka, ary tahizirina anaty tavoahangy (vera no tsara) fa raha plastika mora marikivy.
- Laniana ao anatin'ny 2 na 3 andro raha ela indrindra.

Fanamarihana :
- Azo ato ihany koa ny hoe rehefa hisotro vao manisy siramamy.

Fitahirizana maharitra : 
- ampangotrahana ny tavoahangy sy ny sarony ho azo antoka tsara ny fahadiovany.
- Vao vita mbola mangotraka iny ny ranom-boaloboka no tantavanina dia alefa ao anaty tavaohangy. Hidina tsara, dia ampangotrahana mandritry ny 30minitra anaty rano (stérilisation). Andrasana mangatsiaka dia tahirizina amin'ny toerana tsy azon'andro (cave raha manana). Mety na afaka herintaona aza vao sotroina

dia mazotoa o

Catégorie: