Ratatouille

161

RATATOUILLE

Karemy indray rampitso
Ka raha tsy mahadiso
...
Tsy aleo ve miova kely
Ry madama sy demozely?

Ratatouille indray atao
Sa ahoana hoy ianao?

Aubergine iray dia mety
Ataovy roa ny courgette!

Ny voatabia ataovy efatra
Poivron kely ihany sao mavesatra!

Iray vaventy ny tongolo be
Dia ampio thym sy laurier!

Teteho vaventy izy rehetra
Izay itiavanao azy tsy voafetra

Endaso ny karazany tsirairay
trandremo tsara tsy ho may!

Tsy atao mendy akory.
Ary izay vita dia esory!

Ny tongolo sy voatabia
ireo no atao farany akia!

Rehefa'izay, ny afo ahenao
ary izy rehetra arotsay ao!

Tsy mila ampiana rano
satria ilay voatabia mitera-drano!

Dia asio sira, dia sarony!
Ary isa-minitra afangaroy!

Ka rehefa masaka tsara
Ohano @ vary fa tsy voarara!

Eny ary fa mazotoa homana!
Ratatouille tsara no sady tomombana!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: