Ravina betiravy noendandasina

Portrait de Angie
764

Ravina betiravy noendandasina

Aza ariana intsony ny ravina betiravy. Tsiro be tsy misy toa azy!
Ireto misy fahandro azy karazany roa: 

Nahandro Voalohany
Zavatra ilaina:

ravina betiravy,
lay nopotehina,
menaka,
sira,
dipoavatra.

Fikarakarana azy: 
Sasaina ny ravina betiravy. Koseho kely ny foton'ny taho satria mitahiry tany. Saraho ny taho sy ny ravina. Teteho 4 sm eo ho eo.
Afanaina ny menaka. Rehefa mafana, alefa ny lay. Araho maso ary atao afo tsy mafy be mba tsy ho may ny lay.
Rehefa manitra ny menaka, arotsahy ny taho. 1 minitra tsy misarona. Aroy. Saromy ho tsemboka.
Rehefa mihamalefaka, arotsaho ny ravina. Aroy. 1 minitra tsy misarona. Asio sira. Aroy. Saromy.
Tiako ny mahandro azy satria tsy mora boledaka ny ravina betiravy. Ny taho, tsy misy faika sy "fibre" toy ny pak choi ohatra.
Mikarepoka izy na masaka azy. Mamimamy noho ny ravina.

Nahandro Faharoa (tiako kokoa, hoan'olona 6)

Zavatra ilaina:
ravina betiravy,
pak choi (mitovy hadiry/ lanja),
saosy sôza (2 sotro fihinanana),
lay nopotehina,
sakamalao voatetika manify sy lavalava,
menaka.
sira raha ilaina

Fikarakarana azy:

Sasaina sy tapahina toy ny etsy ambony. Avahina ny ravina sy ny taho.
Afanaina ny menaka. Rehefa mafana, arotsaka ny atsasaky ny lay sy tongolo gasy. Endasina kely ho manitra fa tsy may.
Arotsaka ny tahona pak choi sy betiravy. Endandasina.
Avy eo, asiana saosy sôza 2 sotro. Aroina. Saromy. Andraoina toy ny etsy ambony ho tsemboka.
Rehefa vita, tahirizo anaty hot pot mba tsy hangatsiaka 
Ny ravina: Andraoina toy ny taho amin'ny atsasaky ny lay sy sakamalao. Dia tohizina toy ny amin'ny taho saingy tsy mila saronana satria mora masaka. 
Rehefa vita, afangaro anaty vilany ny taho sy ravina masaka. Ampio sira raha tsy ampy.
Vita!
Mazotoa homana ô!

Nahandron'i Noro-Liva Rakotondrasamba

 

Catégorie: