Ravitoto sy antsantsa

901

LAOKA : RAVITOTO SY ANTSANTSA - 

ZAVATRA ILAINA:

ho an'olona telo 
antsantsa (requin) 1/2kg
ravitoto izay tiana
menaka 125ml
tongolo gasy
sakamalao

FIKARAKARANA AZY

- Endandasina amin'ny menaka ny tongolo gasy sy sakamalaho, dia atao saosy ao ny trondro, ampiana rano kelikely mahamasaka azy avy eo
- andrasana ho ritra, dia arotsaka ny ravitoto.

Fanamarihana :indrandray misy antsantsa (requin) mbola miaraka amin'ny hodiny ; mila ampandevezina rano dia kikisana ilay hodiny fa ohatry ny misy fasika izay raha tsy kikisana.

Mazotoa o !

nahandron'i Nanou Djevinah

 

Catégorie: