Ravitoto sy ovy

873

RAVITOTO SY OVY
 

Mba miova amin'ny mahazatra indray eto ny nahandro, na sakafo mahaleo tena izy ity na laoka 

ZAVATRA ILAINA: 

ravitoto
ovy
tongolo gasy
menaka
sira 

FIKARAKARANA AZY:

Atao anaty vilany ny ravitoto sy tongolo gasy dia asiana menaka sy sira ary rano, dia avela hiketrika eo. 
Rehefa akaiky ho masaka vao arotsaka ny ovy efa novoasana sy voatetika lehibe fa tsy atao madinika mba tsy ho potika. 
Avela ho ridritra ka rehefa masaka sy malemy ny ovy dia ampiana menaka kely ary avela hifandray kely dia vita.

Fanamarihana: 
- azo asiana hena ihany raha tiana fa andrahoina mitokana eto ny hena nendasina, fa azo andrahoina miaraka amin'ny ravitoto sy ovy ihany koa anefa. 
- azo soloina sosety ihany koa ny ovy, na koa zavatra hafa mitovitovy toy ny mangahazo... 

Mazotoa o

Nahandron'i AJ AS 

Catégorie: