Rhum arrangé Litchis

834

Miarahaba antsika :) 
TOAKA miaro LODSY " (Rhum arrangé Litchis)

ZAVATRA ILAINA :

lodsy 20 mahery
toaka fotsy 2L (rhum blanc)
lavanila tahony 1
siramamy mena 5 sotro fihinanana
tantely 2 sotro fihinanana

FIKARAKARANA :

- Esorina ny hoditry ny lodsy sy ny voany
- Zaraina 2 amin'ny halavany ny lavanila
- Atao anaty "bocal" lehibe mihoatra ny 2L ny lodsy sy ny lavanila, dia araraka farany ny toaka fotsy.
Avela hilona mandritry ny 3volana amin'ny toerana maina sy tsy azon'ny andro.

Nanangona sy nandika ny recette ho antsika dia ny namana Vero Randriam,

Sary fampiharan'i Floras Rasoambelona

Mazotoa mampihatra dia manasa anao hizara izay vita ao amin'ny pejy Mamina 

 

Catégorie: