Rochers coco

569

Rocher coco - congolais ; izany hoe bonbon coco vazaha

zavatra ilaina :

tapotsin'atody 8
siramamy 250g
coco rapé 400g
1 "sachet sucre vanillé"
3 "gouttes extrait de vanille."

Fikarakarana azy :

- hafanaina aloha ny lafaoro.
- kapohana tsara ny tapotsin'atody amin'ny "fourchette" na "batteuse" mandrapahatonga azy mitambatra tsara toa mandroatra (en neige), afangaro moramora ao ny siramamy sy ny coco rapé. 
- manamboatra ilay paozy amin'izay araka izay tiana , raha manana "sac à poche" dia mampiasa "douille" , raha tsy manana dia atao amin'ny tanana izay bika tiana, azo atao koa manao azy amin'reny fakana glace ireny na koa taisina amin'ny sotrokely.
- maka "plaque four" dia asiana "papier cuisson", alahatra eo ambony ny rochers coco kely maro be (asio elanelany tsara)
- atao anaty four à 180° mandritry ny  10-15 min eo ho eo fa jerena matetika rehefa doré na mena tsara dia esorina
- avela hangatsiaka dia aroso fa kosa aza avela hangatsiaka vao esorina aminìny plaque fa miraikitra
- azo arotsaka ao anaty chocolat natsonika koa rehefa masaka dia manome karazana loko sy tsiro hafa, vovoka cacao no atao ohatra miammm matsiro be

Nahandron'i Sand Rand

 

Catégorie: