Romazava sy fony

816

LAOKA RONY : ROMAZAVA 

Zavatra ilaina :
Hena omby (tratran-kena na fanangany)
Anamamy sy angivy
Fony (trondro maina)
Sakamalaho sy tongolo ary votabia.
Menaka, sira

Fikarakarana azy :
- Endasina kely amin'ny menaka ny tongolo sy votabia ary sakamalao
- Arotsaka ny hena efa voasasa sy voatetika
- Arotsaka ilay fony sy ny angivy
- Asiana rano mitovy hahavo aminy avy eo, dia avela hiketrika ao.(andrahoina amin'izay fahamasahany tiana satria izaho manokana tsy tia hena mafy dia adiny 3ora anaty "cocotte minute")
- 15minitra alohan'ny hihinanana azy vao arotsaka ny anamamy.

Mazotoa o !

nahandron'i Onimalala R'Anja

 

Catégorie: