Ronono frity

464

Ampifaliana hatrany o
ity indray dia specialité italien ihany fa avy any Sicile fanao gouter na entree na dessert araka izay hitiavana azy satria mety na masira na mamy 

Ronono frity, lait frit, latte fritto, 

ZAVATRA ILAINA 
ronono 250ml
lafarina 50g
atody 2
potimofo na biscotti : "chapelure"
siramamy 50g
vanille 
menaka fanendasana

raha masira kosa dia esorina ny siramamy sy vanille ary soloina fromazy sy sira azo ampiana dipoavatra...

FIKARAKARANA AZY

- Hafanaina amin'ny afo malefaka ny ronono
- tatavanina ny lafarina mba hiala ilay tambaingany ary araraka tsikelikely ao anaty ronono mba hahazoana paty marihitra be
- vonoina ny afo dia arotsaka ny siramamy sy ny vanille (raha ilay tahony dia didina dia ilay maintimainty ao anatiny ihany no atao) afangaro tsara
- maka atody 1 dia kapohana ary afangaro tsara amin'ilay fangaro teo aloha io.  Eto dia haroina elabe mihitsy amin'ny sotrobe hazo, eo amin'ny 15- 20 minitra eo 
- Atao anaty lasitra efa nasiana dibera na menaka io fangaro io dia avela hipetraka hangatsiaka, atao tokony ho 2 cm eo ny hahavony, tsy dia atao fisaka be no tsy atao avo be loatra dia avela hangatsiaka 
- Ahohoka eo ambony vilia ny paty rehefa mangatsiaka lasa mafimafy dia didiana araka izay paozy tiana na carré na lava na boribory, 
- kapohina ny atody iray ary asiana vilia misy "chapelure", ka raisina tsirairay ny bolongony dia ampandalovina atody avy eo chapelure 
- Endasina amin'ny menaka mafana tsara ka vao miova loko dia vita 
- atao ambony taratasy hiala ny menaka dia rarahana sucre glacé na cacao hanome tsiro bebe kokoa 

Mazotoa o 

sary nalaina tamin'ny vohikala breadcrumb italien

Catégorie: