Ronono mandry mamy italiana

762

Ronono mandry mamy italiana

Zavatra ilaina :
siramamy 200g 
ronono150g 
dibera 25g
maizena 1 sotro kely
lavanila 1 taho

Fikarakarana azy :
- atsonika ny dibera dia arotsaka ny ronono,siramamy ary ny lavanilla (sokafana dia ilay voniny kely maintimainty no alefa ao), haroina tsara foana mandrapangotraka azy (atao afo ambany raha mangotraka be loatra)
- arotsaka ny maizena dia avela mangotra 5 minitra indray fa haroina foana ary rehefa lasa marihitra tsara dia vonoina ny afo ary avela mangatsiaka,
- vita ny ronono mandry mamy ary azo tehirizina mandritra ny andro maromaro, raha tiana haharitra amam-bolana dia mila atao anaty bocale dia ampangotrahina atao "bain-marie" (steriliser)
 

Bonbon au lait - vatomamy amin'ny ronono

Rehefa vita ny ronono mandry dia afaka hanaovana "bonbon"
- Avela mangatsiaka kely ilay ronono mandry efa vita mba harihitra kokoa 
- maka vilia asiana "papier cuisson" dia araraka eo ilay ronono mandry ary avela hivainga kely ao anaty vata fampangatsiahana
- tapatapahana amin'ny antsy ho efamira kely maro be avy eo ary fonosona papier cuisson tsirairay raha tsy manana ilay kit famonosana vatomamy 

tsotra nefa tsara izy ity, afaka ovaina ny hanitra lavanila , atao cannelle na tantely na koa hoditra voasary voakiky sns 

Mazotoa 

Nahandron'i Benedetta 

Sarin'i Lah Randria : ronono mandry mamy vita an-trano

 

Catégorie: