Ron'ovy sy ravimboatavo amin'ny henomby.

881

LAOKA RON'OVY SY RAVIMBOATAVO AMIN'NY HENOMBY

 

ZAVATRA ILAINA :

 

Henomby
ravimboatavo 
Menaka 
tongolo be 
tongolo gasy
sakamalaho 
voatabia 

ovy 
anamalaho (raha misy)

 

FIKARAKARANA AZY 

Endasina ny tetika henomby, 
Endasina amin'ny menaka kely miaraka amin'ny tongolo be sy tongolo gasy ary sakamalaho voatetika avokoa, asiana voatabia ihany koa. 
Asiana rano ary avela halemy ny hena 
Kiraina ny ravim-boatavo, dia kosikosehina amin'ny tanana ny raviny avy eo mba halefaka. Dia tapatahana amin'ny tanana ihany koa fa tsy tetehana amin'ny antsy.
Arotsaka ny ravimbotavo voakira sy ovy voatetika. 

Asiana sira dia somary potehina amin'ny sotro rovitra ny ovy rehefa masaka. 
Vao maika matsiro raha asiana anamalaho kely

Matsiro be ery atao somary marihitra.

Mazotoa o 
 

Nahandron'i Bonbon Mamibe 

Catégorie: