Roti indien (mofo)

278

Miarahaba e.
Roti no fiantso ny mofo, ary sakafo Indien izy ity . Hohanina miaraka amin`ny rougail sy saosy voanjo izy eto.

Zavatra ilaina anaovana ny roti: 
lafarina 250grm
levure boulangere 1 sotro kely
Menaka na dibera 10cl
sira sy siramamy kely
tongolo ravina, kotomila, basilic, tongolo gasy voatoto ary masala kely raha tia ianao.
Afangaro avokoa ireo hanome bolabola iray `souple` tsara. tsindrio moramora ka raha miverina ny paty dia vita izy izay. fonosina sachets dia avela hilona.
Mandra-pilonany dia karakarainao ny saosy sy ny rougail.

Saosy voanjo: 
Voanjo iray kapoaka
rano avy nangotraka izay ampy
sira sy siramamy
saosy voatabia raha tiana
totoina malemy ny voanjo. arotsaka anaty saosy voatabia ary haroina sy rarahana rano tsikelikely araka izay harihitra itiavanao azy. raha tsy nanao saosy voatabia dia rarahana rano avy hatrany ny saosy voanjo

Rougail na lasary voatabia:
Tongolobe sy voatabia miaraka mixer-na. Asiana voasary makirana sy zava-maitso izay tiana. Asio sakay kely raha tianao fa vao maika mampahazoto homana.
Rehefa vita ireo dia alaina ilay paty nalona teo ka manao bolabola kely maro be. Fisahana dia atono tsirairay eo ambony lapoaly tsy misy menaka. Avadika ilany sy ilany
Hanina mafana miaraka amin`ny rougail sy ny saosy voanjo.
Mazotoa e

recette de Raly Ranto

Catégorie: 
Matériels: