Rouleau de printemps

914

SAKAFO MAHALEO TENA na FANOKAFAM- BAVONY : ROULEAUX DE PRINTEMPS 

recettes végetarien et sans gluten
Mariako fa bio daholo ny ampiasako indrindra ny legioma satria hoanina manta izy ity

ZAVATRA ILAINA: 
karoty
laisoa
Soja
kotomila (Coriandre)
Salady
vermicelle de riz
galette de riz
tofu fumé 
champignons noirs
solila (menthe)

FIKARAKARANA AZY :
1. kikisana ny karoty tsy ilaina voasana sasana tsara fotsiny(ao daholo ny vitamine rehetra) toy izay koa ny laisoa
2. sasana ny soja , ny salade, ny solila, ny kotomila dia tangosana sy hamainina tsara
3. andrahoina amin'ny rano mangotraka misy sira ny vermicelle ka rehefa masaka dia tsihifina sy hamainina tsara dia tetehina madinika, alona rano mangotraka elaela kosa ny "champignons noirs" dia tetehina.
4. didina manify ny tofu 
5. fonosina ny "rouleau de printemps" toy ny manao nem ihany
Lemana dia atao ambony torchon avela alefaka ny galette de riz
Apetraka ambony salady ny zavatra ilaina rehetra ary eo ambony indrindra ny tofu sy ravina solila iray ary ny kotomila dia fonosina. 
6. fonosina tsirairay anaty film tsy ho maina alohany hinana azy 
7. atao frigo satria hoanina mangatsitsika 

NY SAOSY: 

ZAVATRA ILAINA  ho an'ny olona roa
menaka sesame 1 sotro be
Vinaingitra 1 sotro be
Miel 1 sotro be
saosy soja 1 sotro be

FIKARAKARANA AZY:
afangaro tsara ny menaka sesame, ny vinaingitra, ny saosy soja ary ny tantely
Voanjo voatoto atao eo akaikiny

Fanamarihana:
azo soloina jambon na nofon'akoho, crevette, saumon fumé... ny tofu 
Mazoto daholo
Am-pitiavana foana 

nahandron'i Niry Rafi

Catégorie: