Sahoaba Saonjo sy voanio

Portrait de Angie
592

SAHOABA SAONJO AU COCO

ZAVATRA ILAINA:

Saonjo 4 kg no nataoko teto,
Voanio 1, na "lait de coco "
siramamy 1/2 kg ,
vanille singany 1 

FIKARAKARANA :

- Voasana ny saonjo dia tetehina madinika ary andrahoina
- Rehefa hita fa masaka ny saonjo dia esorina ambony afo ary potehina amin'ny sotro hazo
- Kikisana ny voanio , maka rano mangotraka dia afangaro amin'ny voanio voakiky dia mahazo ny rononon'ny coco , fihazana tsara amin'ny lamba. 
- afaka mampiasa "lait de coco" efa vita raha tsy manana "coco frais"
- Afangaro amin'ilay saonjo dia averina ambony afo malefaka dia asiana siramamy avela hangotraka dia vita 

Matsiro be 

Nahandron'i Brandy Abigaëlla Morgane

 

Catégorie: