Sakay voasesika

537

SAKAY VOASESIKA - PIMENT FARCI
ZAVATRA ILAINA

Sakay lavalava 6
Totokena kisoa 300g g
Ovy 2
Tongolo gasy voakiky
Sira
dipoavatra
Menaka fanendasana
lafarina (izay ampy)
Atody 1

FIKARAKARANA :
1. Diovina ny sakay dia esorina ny ao anaty. 
2. Andrahona amin ny rano ny ovy dia rehefa masaka dia potserina amin ' ny sotro rovitra.
3. Afangaro ny totokena kisoa, ny ovy efa voakaraka, ny sira, ny poivre, ny tongolo gasy voakiky
4. Alaina ny sakay dia sesefana ny fangaro. 
5. Maka bol kely dia kapohana ny atody dia arotsaka ao ny lafarina izay hita ho sahaza ny nahandro dia tapohana rano tsikelikely mandra pahazo paty somary marihitra. Asiana sira kely sy dipoavatra.
6. Afanaina amin'ny afo malefaka ny menaka ka rehefa mafana dia alaina ny sakay voasesika dia asoka ao anaty paty efa vita mialoha dia endasina.
Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô.

Nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé

 

Catégorie: