Salade de farro

896

SAKAFO VEGETARIEN : LASARY MAHASOA 

ZAVATRA ILAINA 

- farro (efa masaka)
- Laisoa
- tongolo be 
- Karoty
- kotomila
- karotin-tsoavaly (fenouil)
- voaloboka maina
- sira
- dipoavatra
- menaka oliva
- voasary makirana 
- ron-dasopy

FIKARAKARANA AZY 

- Sasana tsara ny farro dia andrahoina amin’ny ron-dasopy legioma mifangaro ka efa mangotraka io vao arotsaka toy ny mahandro vary ihany. ( ny ron-dasopy eto dia karoty, celeri, "poireau", korzety iray avy fa azo asiana akoho na hena izay tiana raha tsy vegetarien). Rehefa mangotraka fanindroany dia ahena ny afo ary avela hitanika eo mandrapalemy azy. Afaka atao betsaka dia ampidirina anaty "congelateur" dia mamoaka fotsiny rehefa mila amin'ny manaraka.
- sasana ary tetehina madinika ny laisoa sy karoty sy izay tiana atao fangaron'ny salady,
-.maka bol dia asiana ranomboasary makirana sy menaka oliva ary ireo hanitra rehetra voatetika madinika : kotomila, tongolo be, tongolo maintso ary sira kely, tsy adino ny dipoavatra ary siramamy kely manome tsiro azy. 
- afangaro avokoa ny rehetra dia azo aroso 

Mazotoa hatrany o 
 

Catégorie: