Salade de poivron

86

SALADY SAIKABE - SALADE DE POIVRON 

tsara ho an'ny olona te hampiena vatana izy ity  ,fa sady mora hatao no tsara. 

Zavatra ilaina 

sakaibe na "poivrons" maro loko,
voasary makirana,
salady maintso,
voatabia,
menaka,
sira

Fikarakarana azy

Maka karazana sakaibe dia sasany tsara dia tetehina majinika "en dé" na lavalava araka izay tiana

Sasana ny salady dia tetehina majinika koa, 

Ny voatabia kosa atao haingony azo atao boribory

manao saosy : voasary makirana  na vinaingitra sy menaka oliva ary sira (ny fatra dia avo roa heny ny vinaingitra foana ny menaka )

maka "bol" dia afangaro ao daholo ny rehetra,

azo asiana ilay katsaka efa masaka amin'ny boite ireny koa izy raha tinao sy siramamy 1 tsongo ,

dia mazotoa o

Nahanadron'i Nomena Flëürsmaria

Catégorie: 
Matériels: