Salady akoho

991

SALADE DE POULET (AKOHO ATAO SALADY)

ZAVATRA ILAINA:

nofon'akoho 800g
oliva mainty voatetika 70g
Sakay mena 1
Céleri (ily tahony fotsy) 1
sira sy dipoavatra
piment de cayenne 1
vinaingitra paoma 2 sotro fihinanana (vinaigre de cidre)
menak'oliva (extra vierge) 4sotro fihinanana

FIKARAKARANA AZY:

 
- Alaina rony anaty cocotte minute ny akoho ampiarahana amin'ny sakamalao, tongolo gasy, rosemary, thym, tongolo be, dipoavatra vaingany
- Tetehina ka alona vinaingitra paoma ny oliva mainty, ny céleri, ny sakay mena, asiana sira.
- Rehefa masaka ny akoho dia avela hangatsiaka, esorina ny hodiny sy ny taolany ary tetehina madinika ka afangaro ao amin'ny fangaro efa nalona vinaingitra.
Andramana aloha ny sirany vao manampy ary asiana dipoavatra koa sy piment de cayenne.
- Farany vao arotsaka ny menak'oliva (afaka ampiana persily koa fa ny zanako tsy tia)
- Avela hilona 30-60 minitra anaty vata fampangatsiahana dia afaka aroso amin'izay.

Mazotoa daholo.

Catégorie: