Salady anamalaho

694

SALADE ANAMALAHO 

ZAVATRA ILAINA:

Anamalaho, raha ilay mitapelaka be ireny izy dia tena vao mainka tsara (y)
Tongolo
Voatabia
Sira
Siramamy
Vinaingitra na voasary makirana
Menaka

FIKARAKARANAAZY:

- sasana tsara avokoa ny anamalaho sy voatabia
- tetehina ny voatabia ary tsongaina kosa ny anamalaho
- tetehina ny tongolo ary asiana Vinaingitra na voasary makirana ary menaka, asiana sira sy siramamy kely dia afangaro tsara,
- araraka ambony salady anamalaho dia afangaro ireo rehetra ireo dia izay!
- Tsara raha lomana elaela amin'ny vinaingitra na voasary makirana mba ho masaka tsara.

Mazotoa daholo.

Nahandron'i Memamenz

 

Catégorie: