Salady farro

Portrait de Angie
1060

SAKAFO VEGETARIEN : LASARY LEGIOMA SY FARRO - SALADE DE FARRO

ZAVATRA ILAINA 

- farro (efa masaka)
- korzety
- tongolo be 
- paoma maintso
- konkombra
- voaloboka maina 2 sotro
- menaka soja
- menaka oliva
 

FIKARAKARANA AZY 

- Sasana tsara ny farro dia andrahoina toy ny mahandro vary ka efa mangotraka io vao arotsaka toy ny mahandro vary ihany. Rehefa mangotraka fanindroany dia ahena ny afo ary avela hitanika eo mandrapalemy azy. Afaka atao betsaka dia ampidirina anaty "congelateur" dia mamoaka fotsiny rehefa mila amin'ny manaraka.
- sasana ary tetehana madinika ny konkombra, kikisana ny karoty sy izay tiana atao fangaron'ny salady,
- tetehana fisaka manify kosa ny poma maintso
- afangaro avokoa ny rehetra dia asiana saosy soja sy voaloboka  maina dia andramana azo aroso

 

Azo ovaina vary ihany koa ny Farro

Nahandron’i Tiana Parlato 19/09/2017

Mazotoa hatrany o

Catégorie: