Salady kokombra sy saumon fumé

757

SALADY KOKOMBRA SY  SAUMON FUME’  -

Ny zavatra ilaina dia araka ny toerana  misy antsika ary azo ovaina araka izan , ny fatra koa dia araka izay tiana.

ZAVATRA ILAINA:

-Kokombra
-saumon fumé bio
- tongolo mena
- solila sy basilika
- tongolo gasy
- menaka “sésame”
- menaka oliva
- “vinaigre balsamique blanc”
- “vinaigre de riz”
- saosy soja
- “graines de sésame”
- sira sy dipoavatra

FIKARAKARANA AZY:

- sasana dia voasana ny kokombra ary didiana manify manaraka ny halavany amin’ny “rasoir à légumes” na antsy maranitra, atao anaty “passoire” dia asiana sira mba hivoaka ny ranony
- Manao saosy “vinaigrette”: voasana ary totoina ny tongolo gasy , ary atao anaty “bol” , asiana menaka sy vinaingitra (ny fatran’ny menaka dia indroa noho ny vinaingitra ) ary saosy soja ary ny dipoavatra. Azo andramana ny sira dia ampiana fa mila tandremana fa efa masira ny saosy soja
-  hamainina tsara ny kokombra, amin’ny lamba madio sady maina na koa amin’ny “sopalin”
- tetehana madinika sy manify ny tongolo mena sy ny “saumon fumé”.
- Afangaroy daholo ny rehetra ao anaty “bol” sy ilay saosy “vinaigrette” rarahana “graines de sésame” ary asiana ravina solila sy basilika.
Mazotoa o  

Nahandron’i Lova Petit Rama – Graine de faim kely

 

Catégorie: