Salady legioma

1112

SALADY LEGIOMA - SALADE DE LEGUMES : samy tsara sady mora atao ireto roa ireto 

1. SALADY SAKAIBE

ZAVATRA ILAINA :

sakaibe na poivron 
menaka oliva sy vinaingitra na voasary makirana  hanaovana vinaigrette
persila 
 cumin
sira

Azo asiana dipoavatra raha tiana

FIKARAKARANA AZY:

- atono ambony fanantonoan-kena dia avadibadika rehefa lasa mainty tsara dia esorina, ary vao vita dia dia esorina moramora ny hodiny sy ny voany.

- tetehana lavalava  ary nasina vinaigrette sy persil ary cumin.

 

2.SALADY KAROTIN-TSOAVALY – SALADE FENOUIL

 

ZAVATRA ILAINA:

Karotin-tsoavaly
Paoma
voasary makirana
Sira
 

FIKARAKARANA AZY:

sasana tsara dia kikisana daholo ny paoma sy ny caroti-tsoavaly

Asiana ranomboasary makirana  sy sira avy eo

Azo ampiana izay tiana rehetra na menaka na zava-maintso

 

Mazotoa indray o

Nahandro sy sarin’i Andomamy Rakotondrasoa 21.01.18

 

Ingrédients: