Salady mozzarella sy voatabia

841

SAKAFO MAIVANA : SALADE MOZZARELLA SY VOATABIA ARY KOKOMBRA: 

ZAVATRA ILAINA: 
Mozzarella
Pesto
Kokombra
tongolo be (échalotte)
saosy :afangaro ny menaka oliva sy vinaingitra balsamika (balsamique de Modène eto) 
dipoavatra 
sakaibe (poivron)
sira

FIKARAKARANA AZY 
1) alana ny hoditry ny voatabia dia tetehina 
2 ) sasana tsara dia voasana mielanelana ny kokombra mba hanome bika azy dia tetehina boribory
3 ) didina ihany koa ny mozzarella
Apetraka ambony vilia araka izay paozy tiana 
Asiana saosy vinaingitra ao ambany vilia dia avy eo alahatra ny voatabia, mozzarela ary ny kokombra, pesto ary "groseille". 

Jereo ato ny fanaovana pesto 
mazotoa o

nahandron'i Niry Rafi

Catégorie: