Salady paoma

916

FANOKAFAM-BAVONY : SALADE DE POMMES

ZAVATRA ILAINA:

Paoma maintso
paoma mena 
tongolo be (ilay voloparasy)
sira
dipoavatra
persila
menaka 
sakay raha tiana
voasary makirana na vinaigitra

FIKARAKARANA AZY:

diovina tsara ny paoma dia tetehina amin'ny endriny izay itiavana azy (tsy nesorina ny hodiny)
diovina ihany koa ny tongolo be dia tehetehana mitovy endrika ami'ny paoma
afagaro ny paoma sy tongolo efa voakarakara ary ny sira, dipoavatra, sakay, persila, menaka kely, ny voasary makirana na vinaingitra, afangaro tsara ireo,
azo asiana charcuterie raha tiana 

Fanamarihana:
mifanohatra ny tsiron' ilay poma mena sy maintso eto, marikivy sy mamy, fa izay tia marikivy fotsiny dia maintso ihany ampiasaina hevitra ihany moa no atolotra am-pitiavana

nahandron'i Tiana Parlato

 

Catégorie: