Salady sy tofu

911

SALADE AU TOFU ( VÉGÉTARIENNE - BIO)

ZAVATRA ILAINA

Salady maintso izay misy sy tiana 
eto dia mifangaro ny salady maintso sy salady "roquette"
Choux. 
Sokolà mainty (chocolat noir de Madagascar)
Tofu amin'ny tongolo maintso sy tongolo gasy
Saosy "Vinaigrette": menaka oliva, vinaingitra balsamika, tongolo be (échalotte) , tongolo gasy ary sira sy dipoavatra

FIKARAKARANA AZY:
 

Sasana tsara dia tetehana araka izay tiana ny salady sy ny choux
Manamboatra saosy "vinaigrette" atao anaty bol 
Kikisana ny sokolà dia atao amin'ny vilia 
tetehana ny Tofu  
Apetraka ambony vilia avokoa araka izay tiana ireo salady 
Dia samy manao ny fangaro tiany " assaisonnement" eo ambilia ny tsirairay. 
Ampitiavana foana 

Nahanadron'i Niry Rafi 

 

Catégorie: