Salady zavoka sy manga

555

SALADY ZAVOKA SY MANGA

Zavatra ilaina hoan'olona 4

Zavoka lehibe 1,
manga soma 2,
poivron jaune 2,
voatabia 1,
oeuf de caille 4,
voasry makirana 1,
menaka,
sira,
tongolo maitso

Fikarakarana:

Tetehina ho efa mira kely ny manga, voatabia, poivron, ary ny atsasak'ilay zavoka, dia asiana voasary makirana sy menaka kely ary sira
Tetehina madinika ny tongolo maitso dia afangaro amin'ilay zavoka
Andrahoina amin'ny rano mangotraka mandritra ny 5mn ny oeuf de caille dia voasana avy eo
Azo atao isan'olona fa ny ahy eto avy dia ataoko plat lehibe, atao eo ambony lovia be ny moule loaka ny vodiny, alahatra manaraka ny sisiny ny atsasak'ilay zavoka nodidiana manify, apetraka ao anatiny ilay fangaro na manga sy zavoka tetsy ambony dia haingoina didina zavoka sy oeuf de caille
Mirary antsika hazoto homana ary e!

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: