Samosa

574

SAMOSA TENA MALAGASY (fonony vita an-trano) : sambos, sambosa , samossa 

ZAVATRA ILAINA:

atody 1
lafarina 350g
sira (1sotrokely tsy feno no nataoko)
rano 150ml - 250ml teo (alefa tsikelikely)

FIKARAKARANA:

- Kapohana ny atody dia atao ao ny sira , ny lafarina , ny rano. Afangaro ireo dia manome bolabola sahala amin'ny "pâte à pizza" 
- avela kely 20 minitra anaty "sachet" (ny ahy natsofoko vata fampangatsiahana)

Teto no nisy tsy nitovy kely ny recette 2 :

1) Ny iray natao tanana sy "rouleau"

- nozaraina ho bolabola 10 ny paty. Nofisahana aloha ny 5isa, natao somary nitovy habe. Natao nifampitaingina ka nohosorana menaka ny tao anelanelany (tsy nohosorana ny farany ambony).
- nofisahana ho boribory iray lehibe izy rehetra avy eo.
- notapahana indray hahazo efamira lehibe.
- Tetehina amin'ny antsy eo amin'ny 5sentimetatra eo ny sakany dia atonotono (ambony lapoaly fanaovana "crêpe" ny ahy teto) dia fonosina izay vita mba tsy ho maina.
dia karakaraina toy izay koa ilay 5 isa ambiny. Silahana tsairairay rehefa vita dia asiana atiny izay tiana (tongolo sy totokena ny ahy), avalona, vonona.

2) Ny an'i #Ravaka Sarobidy ("machine à pâte) :

- volavolaina lavalava dia kosehina hihafisaka rarahana lafarina tsikelikely ambony paty dia fafana amin'ny tanana sahala @manafosafo dia ahodina amin'ny "machine à pâte"
- rarahana lafarina toy ny teo aloha dia aforitra roa dia ahodina "machine" indray, dia toy izay hatrany (ahena tsikelikely ny "machine" mandra -pahazoana paty manify)
- hosorana menaka ny latabatra niasana atao manaraka ny lavany, dia apetraka eo amboniny ny paty manify, hosorana menaka amin'ny "pinceau" ihany koa ny tapon'ny paty, dia apetraka eo koa ny paty manaraka; toy izay hatrany.
-Tetehina amin'ny antsy eo amin'ny 5sentimetatra eo ny sakany dia atonotono ambony sarombilany tsi _telotelo dia fonosina "sachet" izay vita mba tsy ho maina. Vonona afaka sesefana amin'izay tianao atao ao anatiny.

Endasina anaty menaka ampy mampitsingevana azy.

Sady vao mianatra dia mbola betsaka no simba fa tsy maninona, faly aho e, mankasitraka indrindra akia #Ravaka Sarobidy a, ba betsaka

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: