Samosa legioma

734

SAMOSA LEGIOMA 

Zavatra ilaina:
Ovy
kraoty
laisoa
korzety
ravin-tongolo (cebette)
karaotin-tsovaly (fenouil)
tongolo gasy, sakamalaho, tongolo
carry, sira
sakay (tsy voatery)
fonony efa vonona no novidiako (feuille de Brick)

Fikarakarana azy :
- totona ny tongolo gasy sy sakamalaho
- atao masakentona ny ovy ary tetehana madinika
- kikisana ny karaoty, ny korzety, ny fenouil ary atao anaty pasoara mba hitsika ny ranon-degioma
- tetehana madinika ny tongolo, ny ravin-tongolo
- alaina ny feuille de brick dia asiana sesika ary avalona ho samosa
- endasina ary rehefa esorina ao anaty menaka dia atao anaty pasoara efa nasiana "papier absorbant" mba hifoka ny menaka. 

Fanamarihana : tsara hatrany ny mampiasa "légumes de saison" fa tsy maka lavitra
Mazotoa o !

Nahandron'i Niry Rafi 

 

Catégorie: