Saosisy gasy

Portrait de Angie
1069

SOSISY GASY VITA AN -TRANO 

Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina,
Ho antsika mba te hihinana ny sosisy gasy dia andramo ity fa sady mora ny manao azy no tsara kokoa ny vita an-trano satria “nature” izy io tsy misy “phosphate” sy “nitrate” ( ireo  “conservateur” hafa amin' ireny saucisse sy charcuterie efa vita ireny)
 

ZAVATRA ILAINA

Mitovy lanja ny nofonkena kisoa sy omby ary ampahafolony ny tavin-kisoa.
ohatra :
- nofon-kisoa 1kg
- nofon-ken’omby 1kg
- tavi-kisoa 200g afaka ampiana ra tia matavy (200g:10% an’ireo nofon-kena mitambatra 2kg )
- dipoavatra mainty “poivre sauvage de Madagascar
- tsinain-kena na “Boyaux” 
- sira,

 

FIKARAKARANA
 

Raha manana milina ao antrano dia toy izao no fanao azy
- totona atao malemy tsara ny hena
- tetehina ny lard, afangaro amin'ny hena voatoto
- arotsaka ny zava-manitra izay tiana eto dia dipoavatra  
- diovina tsara ny tsinaikena
- asesika
- azo tehirizina anaty “congelateur”

 

FANAMARIHANA

-Raha tsy manana "machine" fanasesefana saosisy dia any amin'ny mpitoto hena no mandeha asaina asesiky ry zareo, asa raha mbola 500f/kg no anaovany azy any an-tsena.
-Tsinaikenankisoa kosa dia ao amin'ny pavillon misy amidy - aza mividy ilay milona rano fa ny maina ihany ary ny tsinaikenan-kisoa 1 mahavita 4kg (4000Ar eo ny efa voadio)
 

Mazotoa daholo aza
Am-pitiavana foana

– Nahandro sy sarin’i Niry Rafi

Ingrédients: 
Catégorie: