Saumon au four

Portrait de Angie
1063

LAOKA: TRONDRO ANATY LAFAORO - SAUMON AU FOUR

ZAVATRA ILAINA:

trondro saumon
tongolo raviny na poarao
voasary makirana
menaka oliva
persila
voasary makirana
sira

FIKARAKARANA AZY

Hafanaina ny lafaoro
Tetehina ny tongolo raviny dia atao lafika anaty lasitra
Alahatra ny trondro efa nosasana tsara araka izay habeany tiana
tetehana ny voasary makirana ary alahatra eo ambony trondro
rarahana persila voatetika
rarahana menaka kely fotsiny sy sira kely
Ampidirina anaty lafaoro 20 minitra eo mandrapaha hita fa masaka

Hohanina amin’ny vary na mofo na legioma

Mazotoa 

Nahandro sy sary 21/09/2017

 

Catégorie: