Saumon farci aux petits légumes

176

SAUMON FARCI AUX PETITS LÉGUMES

Ireto avy no ilaina :

Ovy manta ho tetehina sy ho endasina...
Saumon farci à la façon Ramanankasina;

Salade, persil ary koa voatabia
ary mayonnaise hihinanana azy ity!

Ny rehetra angamba dia efa hita mazava
F'ilay saumon farci no toy izao rahavavy :

Alaivo aloha carotte kely sy petits pois Masaka
Tsy maninona koa raha tianao asiana katsaka!

Alefaso anaty récipient misy crème fraîche kely
izany hoe 2 sotro lehibe fa tsy mihoatra velively!

Dia araraho ao koa tapotsin'atody tsara kapoka
Ary farine 1 sotrokely, poivre sira mba tsy hakafoka!

Rehefa mifangaro tsara ireo
Alaivo ny darne de saumon dia ao no aseseko!

Avy eo fonosy papier aluminium @ izay
Dia ahandroy anaty lafaoro tena mamay!

Rehefa Masaka dia esory tanatin'ny fonosany
Dia didio tsara manifinify fotsiny!

Hitanao fa tsotra? tsy sarotra akory!
Ary ny mijery azy koa tsy manorisory!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: