Sesika

1096

LAOKA: SESIKA (crépine)

aleo avoka mitokana izy ity fa niaraka tamin' ny Gisa nefa azo atao laoka mitokana ihany koa

Zavatra ilaina
henakisoa
tongolo gasy
sakamalaho
dipoavatra
tongolo be
sira
hanitra maintso izay tiana, persil ny ahy teto
fonona crepine (azo soloina ravin-tsalady, na laisoa, azo tsindromina "cure-dent" na fatorana amin'ny rofia mba tsy hiparitaka...)

Fikarakarana azy :
totoina ny henakisoa, esorina ny taolany dia totoina ny nofony sy ny taviny, miaraka totoina ao koa ny tongolo gasy, sakamalaho, dipaovatra ary tongolo be
rehefa mifangaro tsara ny hena voatoto dia nozaraina roa ka ilay faharoa nasiana hanitra maintso voatoto
velarina ilay crépine dia atao ao ny totonkena efa voakarakara dia fonosona tsara
rehefa akaiky ho masaka ny gisa dia apetraka eo ambony eo ny sesika izany hoe alefa aloha ilay tongolo gasy sy sakamalaho efa voalaza etsy ambony io dia apetraka ny sesika, atao afo malefaka 

Fanamarihana : azo atao zavatra hafa ny fanambaniny fa tsy voatery ho gisa an, ny ahy teto gisa, ohatra legumes, akoho, gana, ….
azo tsy asina n'inona n'inona koa fa andrahoina amin'izao tsy atao be rano an
azo atao lafaoro fa saingy fonosina papier aluminium
araho ary ny sary rehetra

mazotoa daholo indray 

Nahandro sy sarin'i Soa Bonheur 22.04.17

 

Ingrédients: 
Catégorie: