Sesika (crépine) sy gisa

985

LAOKA : GISA SY SESIKA

ZAVATRA ILAINA:

Gisa
henakisoa 
fonona crépine 
tongologasy 
sakamalaho
tongolo be
hanitra maintso
sira
dipoavatra
curry
menaka

FIKARAKARANA AZY

GISA
rehefa voadio sy vokarakara ny gisa dia tetehana amin'ny fomba izay itiavana azy
maka menaka kely fotsiny dia afanaina, endakendasina ao aloHa ny gisa ka ilay faritra misy ny hodiny iny no hapetraka mialoha, rehefa mendimendy dia asina sira sy rano maha masaka azy, rehefa hita fa akaiky masaka dia arotsaka ny tongologasy, voasana fotsiny dia alefa, tsy kikisana tsy totona, toy izay koa ny sakamalaho, voasana dia arotsaka ihany koa

SESIKA :
totona ny henakisoa, esorina ny taolany dia totona ny nofony sy ny taviny, miaraka totona ao koa ny tongolo gasy, sakamalaho, dipoavatra sy tongolo be
rehefa mifangaro tsara ny hena voatoto dia nozaraina roa ka ilay faharoa nasiana hanitra maintso voatoto
velarina ilay crépine dia atao ao ny totokena kisoa efa voakarakara dia fonosona tsara
rehefa akaiky ho masaka ny gisa dia apetraka eo ambony eo ny sesika izany hoe alefa aloha ilay tongolo gasy sy sakamalaho efa voalaza etsy ambony io dia apetraka ny sesika, atao afo malefaka
Teto naroso niaraka tamin'ny vary sy lasary voatabia

mazotoa indray ary

Nahandron'i Soa Bonheur 

 

Catégorie: