Sevillan à l'orange

572

"SEVILLAN A L'ORANGE" 

Zavatra ilaina :

voasary 2
atody 2
lafarina 115g
siramamy75g
dibera 115g
lalovay simika 1sotrokely
"sucre glace" 100g

Fikarakarana :

- potserina halemy ny dibera atao amin'ny sotro hazo. Arotsaka tsikelikely ny siramamy, avy eo ny atody atao tsirairay. 
Afangaro tsara ireo
- arotsaka ny lafarina, ny hodim-boasary iray voakiky sy ny ranony iray
- Farany ny lalovay, afangaro tsara
- Alefa ao anaty lasitra nohosorana dibera (fa raha manana dia (moule à manquer" 24sm mety koa)
- Andrahoina amin'ny lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C ka rehefa tsy misy manaraka intsony rehefa tsindronina dia masaka
- Manao "glaçage" : alaina ny "sucre glace", potserina ao ny voasary 1 ataingina ambony afo tsy arona fa avela ho levona ho azy. Rehefa somary mitsiranoka sy matevina (coulante et épaisse) dia esorina ary araraka eo ambony mofomamy mafana efa nesorina tanaty lasitra.
Haingoana amin'ny didim-boasary

Nahandron'i Rouv Andriniaina Andriamparany

 

Catégorie: