Skordalia

770

Saosy Grika : Skordalia 

Zavatra ilaina:
ovy 400g; 
mofo voatapaka singany 4 ; (raha tiana)
hasina lay 6; 
menaka oliva 60ml; 
ranom-boasarimakirana 2 sotro fihinanana; 
sira.

Fikarakarana azy:

Voasana ny ovy, andrahoina amin'ny entona. Poretina ho "purée".
Voasy ny mofo ary lomy rano mandritra ny 2 minitra ny atiny. Fihazo.
Alamao sy alefaho amin'ny "mixer" ny ovy voapotsitra, ny mofo, ny lay ary sira
Araraho tsikelikely ny menaka oliva sady manodina ny saosy ihany. 
Farany, alefa ao ny ranom-boasarimakirana.
Afangaro tsara dia vita 

NB:azo asiana oliva maintso miaraka mixer-na aminy , azo asiana hanitra kely koa raha tiana : basilika, menthe, persily...
Tsy voatery atao mixer ity fa potserina amin'ny "fourchette" ny ovy dia afangaro daholo rehefa voatoto kosa ny tongolo gasy ary araraka ny menaka sy vinaingitra na voasary makirana dia ahodina toy manao mayo 

Azo hohanina amin'ny mofo, na hena , na salady betiravy 

 

Nahandron’i Noro-Liva Rakotondrasamba

Catégorie: