Sorbet

Portrait de Angie
1168

Miarahaba am-pifaliana hatrany ny mpanaraka ny vohikala,

Noho ny asa amandraharaha sy ny adidy amin'ny fianankaviana dia tsy dia maharaka mizara ireo nahandro nozarain'ny malagasy erantany tao amin'ny vondrona Mamina - Malagasy Mizara Nahandro  aloha tato ho ato, hiezaka ihany anefa hanao izany am-pitiavana hatrany mba tsy ho ny manao facebook ihany no mahazo anjara. 
Ity indray ary ny recette sorbet mora atao fa mafana ny andro 

 

ZAVATRA ILAINA:

Ho an'ny sorbet mangue sy fraise   

  • Ho an'ny fraise

Fraise 800g
siramamy 130g
rano 16cl
jus de citron 1 sotro fihinanana

  • Ho an'ny mangue

mangue masaka 4 lehibe 
siramamy 150g
rano 20cl
jus de citron 1 sotro fihinanana
tapotsin'atody 2

 

FIKARAKARANA AZY
 

  • Sorbet fraise

1/sasana madio tsara ny fraise ary mixena,ary rarahana ilay jus de citron avy eo,haroina tsara ary atao anaty frigo

2/manao sirop amin'ny siramamy sy rano,atao eo ambony afo ka rehefa mangotra eo amin'ny 2minitra eo dia bataina,ampangatsiahana

3/rehefa mangatsika ny sirop dia araraka anaty fraise dia afangaro tsara,atao anaty boite misarona ka alefa anaty congélateur mantritry ny ora 3

4/rehefa vita ny ora3 dia avoaka ny glace ary averina mixena indray mba ho alama rehefa hoanina(crémeux) fa tsy otrany mihinana glaçon,vita izay dia averina anaty boîte mandrapivaingana azy tsara,eo amin'ny 3ora eo mivaingana tsara dia afaka mihinana amizay.

 

  • Sorbet mangue

mitovy amin'ny fanamboarana sorbet fraise ihany fa saingy rehefa avoaka aorian'ilay 3ora dia averina mixena ihany koa ary asiana blanc en neige ,zany oe ilay tapotsin'atody 2 kapohana tsara mba ho lasa mafy dia afangaro moramora amin'ny ilay mangue iny,afangaro moramora an dia averina anaty frigo.

ireo amin'ny sary ireo ny santionany,ny sasany natao anaty moule glace dia faly ery ny ankizy 

Nahandro sy sarin'i Prisca Lapeyronnie -9 mai 2018

Mazotoa o 

Afaka mizara ihany koa ianao rehefa mahavita na ao amin'ny vondrona na ao amin'ny pejy Ma.Mi.Na- Malagasy Mizara Nahandro 

Ingrédients: 
Catégorie: