Soron-kisoa sy curry

809

LAOKA : SORON-KISOA SY CURRY  

ZAVATRA ILAINA
-Sorony izay tiana
-Ovy 1/2kg
- voatabia 4
- tongolo be 3
- tongolo gasy
- sakamalaho 
-sira 
- dipoavatra
- romarin
- thym
- curry 
- cumin
- maizena 
- creme fraiche 
- tongolo maintso 

FIKARAKARANA AZY:

Endasina ny tongolo be, tongolo gasy ary sakamalaho voatetika madinika avy eo arotsaka ny hena efa voasasa, sy ny romarinary thym. Rehefa somary mendy dia asiana curry, cumin, sira , dipoavatra ary farany maizena kely iray sotro ary atao mendimendy. 
Avy eo arotsaka ny votabia,sy ny ovy efa voatetika ihany koa. 
Samy manana ny tiany amin ny halemin'ny hena ka miankina amin'zay ny fandrahona azy. Ny ahy dia ora 2 vao nesoriko (cocotte minute no nampiasaina) 
Rehefa masaka dia esorina ny hena, ny ambiny kosa totoina amin'ny "mixeur" miaraka amin ny creme fraiche. 
Araraka eo ambonin'ilay hena ary tena rehefa handroso vao asiana zav- maitso izay tiana.

Mazotoa tompoko.

Nahandron'i Onimalala R'Anja

 

Catégorie: