Soufflé au chou fleur

163

SOUFFLÉ AU CHOU FLEUR

Mbola sakafo karemy
Sady tsara no malemy
No atolotro anao
Dia mba raiso ka zarao!

Ahandroy ny chou fleur
Na masaka be aza tsy erreur!
Rehefa avy eo dia mixer-o
Dia apetraho fotsiny eo!

alaivo indray ny atody dimy
dia kapohy mifandimby
izany hoe tamenany atao à part
ary tapotsiny atao en neige tsara!

Alaivo ny beurre 60 grammes
Dia hatsonio indray madame
Alefaso ao 1 verre la farine
ronono 2 verres tsy maninona!

Dia araraho ao ny tamenak'atody
asio sira amin'ny izay fa io no fanafody!
Alefaso ao koa ny emmental râpé
120 g , ary koa ny chou fleur mixé!

Dia arohirohy tsara mba ho levona
ary esory amin'izay rehefa matevina!
dia afangaroy ao ilay tapotsiny
rehefa izay dia zarazaraina fotsiny!

Atao anaty vilany kely
tsy maninona izay modely
Misy amin'ny aluminium any amintsika
f'aty ireo no misy fa tsisy fika!

Ny four indray no hafanao
Ka 180 degré dia efa ao!
Dia fenoy au 2/3 ny vilany kely
fa tsy atao tototra velively!

15 minutes d'efa vita
Ka ny fahaizanao eo no hita!
Ho faly ery izao ny ankizy
Fa toy ny tsikonikonina ilay izy!

 

nahandro sy tononkalon'i Holinirina Ramanankasina

 

Catégorie: