steack

129

 

Raha resaka tsiro dia ny entrecôtes na ny Tranche fine no tiako indrindra rehefa izaho no hanao ny steack.
Izaho tsy mba sahy mampiasa attendrisseur amin'ny hena hatao Steack , matahotra aho sao "attendri" mbamin'ny vavony handevonana azy. Eritreritra tsy mety afaka antsaiko io. 

Izao no ataoko hampalemy ny hena araka ny itiavako azy. Tsy dia mba mampiasa filet aho.
Didiana araka ny tokony ho izy ilay tranche fine ka ataoko matevitevina ihany, 4cm eoeo; ny ràkena azoko na kely aza dia tsy ariako fa angoniko ;
Felahiko amin'ny lafin'ny antsibe fikapàna hena ireny ny lafiny roa amin'ilay hena; mihena ho antsasany ny hateviny ka lasa 2 cm eoeo; eo no manomboka manisy ny fangarony kely sira kely na sauce soja sy poivre, ary averiko afangaro aminy eo ilay ràkena nagoniko. asiako fécule kely amin'izay isaky ny tavany ilay steack ary laloriko tsara mba tsy hitera-drano ilay izy rehefa endasina; mandraraka menaka kely hahamandimandina ilay hena, eo vao rarahana potipotika romarin isaky ny lafiny ary avela haka tsirony kely eo 10 minitra ilay hena.

Lapoaly gasy efa folaka tsara ireny no asiana menaka zara raha roa sotro lehibe nefa atao mamay tsara ka tonga dia alefa maka toerana ao ireo hena voakarakara; manomboka injay ilay fofona mitovitovy amin'ny masikita.
Tsy hetsehina firy fa afaka fotoana kely 1minitra mahery kely dia efa mitady ho may ilay lafiny voaendy , avadika indray ary andrasana 2 minitra , tokony ho efa eo amin'ilay fahamasahany tsara ilay hena ka zara raha nisy ranondranony hita eo amin'ny lapoaly.
Esoriko moramora ny steack fa ny kaokany eo mbola azo anaovana ny sauce hihinanana azy toy ny poivre vert , na tomates ...
Amiko dia antonony tsara ny halemin'ny hena amin'io fomba nanaovako azy io satria raha malemy loatra tokoa moa ilay steack dia atao inona loatra izany ilay antsy natokana ho an'ny steack eo amin'ny couvert ?

Mazotoa homana ary o 

de Sammy Rama

 

Catégorie: 
Matériels: