Steak chinois

375

Steak chinois - nofonkena malemy tsara 

Zavatra ilaina:

Nofon-kena 1kg (tranche fine) ,tongologasy voatoto 1sotro fihinana , sakamalao voatoto 1 sotro fihinana , saosy soja 1 sotro fandoharana , atody 2 , fecule de manioc 1/2 sotro fandoharana , sira amin'izay itiavana azy, menaka 1sotro fandoharana ary siramamy 2 sotro kely. 

Fikarakarana azy: 

nofisahana avy eo nokapohina mba halemy tsara ny nofon-kena,
Nalona 1h mialoha ny tamin'ny tongologasy, sakamalao, saosy soja, atody, fecule de manioc, sira, menaka ary siramamy.
Miaraka volavolaina daholo ireo voalaza etsy ambony rehetra ireo dia vita.
Rehefa manendy azy dia mila menaka mafana tsara ary 1mn isakin'ny lafikin'i hena

Azo aroso miaraka amin'ny saladyna ovy frity

Ny saosy amin'ny salady kosa indray dia: tongologasy voatoto 1/2 sotro finanana , sakamalao voatoto 1/2sotro finanana , siramamy 1sotro kely , tongolo be singany 1 amin'ny antonony, dipoavatra ary menaka sy voasary makirana na vinaingitra tsotra afangaro miaraka daholo ireo rehetra ireo dia vita.

Mirary tontolo andro mafinaritra ho atsika indray ary o

de Prisca Randriharimalala

Catégorie: