Steak sauce poivre vert

918

STEAK SAUCE POIVRE VERT 

ZAVATRA ILAINA :

tongolo 1 
dibera 1sotrokely
divay fotsy (vin blanc sec) 100ml
"fond brun" 200ml
sira
ranomboasary makirana tete vitsitsy
dipoavatra maitso 1sotro fihinanana
nofon-kena omby (tranches de filet de boeuf)

Ho an'ny "fond brun" :
fond de veau déshydraté 2 sotrokely
crème fraîche épaisse 2sotro fihinanana
rano 200ml
sira, dipoavatra

FIKARAKARANA AZY :

Ho an'ny "fond brun" : 
- Maka casserole, asiana rano mafana sy sira, dipoavatra ary ilay "fond de veau" dia ampangotrahana. Ahena ny afo avy eo, dia arotsaka ny crème fraiche, aroina tsara dia avela hihena amin'ny afo malefaka sady afangaro ihany, eo amin'ny 1 minitra eo.

- Voasana sy tetehana ny tongolo. Maka casserole dia atsonika ny dibera, arotsaka ny tongolo ary avela ho masamasaka. Ahena ho antonony ny afo, arotsaka ny divay fotsy dia avela hihena ho 3/4 ny fangaro. Arotsaka avy eo ilay "fond brun" tetsy aloha.Amboary amin'ny tsiro ilanao azy. 
- Arotsaka ny dipoavatra maitso sy ny ranomboasary makirana kely.

Ho an'ny hena :
- Endandasina amin'ny lapoaly amin'izay hitiavanao azy dia afaka aroso eo an-dovia miaraka amin'ny saosy.

Mazotoa o!

nahandron'i Sonia Andria 

 

Catégorie: