Strudel aux pommes

898

STRUDEL AUX POMMES

ZAVATRA ILAINA

Pâte feuilletée (novidiako fa tsy nataoko)
dibera 20 g
tamenak'atody 1
paome golden 3 na 4
siramamy 100g
voaloboka maina 50g
vovoka kanelina 1sotrokely
hodim-boasary makirana voakiky
amande voatoto 50g
rano matimaty

FIKARAKARANA AZY:

- Alona anaty rano matimaty mandritry ny 10 minitra ny voaloboka maina
- Voasana ny paoma dia tetehana manify, ampiana siramamy, kanelina, amande vovoka, kikina hodim-boasary makirana, voaloboka maina efa notsihifina tsara. Afangaro izy rehetra.
- Velarina ny paty, somary fisahana hanify tsara, dia hosorana dibera efa natsonika.
- Alefa eo afovoan'ny paty ny sesika efa voafangaro teo dia saronana amin'ilay paty. Tsindrina tsara ny sisiny. Hosorana ilay tamenak'atody voakapoka.
- Alefa anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 200°C mandritry ny 30 minitra. Aroso matimaty.
Mazotoa o !

 nahandron'i Sonia Andria 
 

Catégorie: