Tarta paoma

566

TARTA PAOMA - tartes pommes 

ZAVATRA ILAINA :

paoma 4 izay tiana
ranom-boasary makirana 1 sotrokely
" yaourts" 2
atody 2
Siramamy izay tianao ny fatrany.
dibera
" pâte brisée" efa vonona 
 

FIKARAKARANA :

- Lomana siramamy sy ranom-boasary makirana ny paoma efa voatetika manify.
- Endasina kely amin'ny dibera ("beurre doux" no nataoko), rehefa mivolom-bolamena dia alefa ao ilay ranom-boasary nandomana azy mba ho "caramélisé" kely.
- Velarina ny paty dia atao anaty lasitra, tsindromina amin'ny sotro rovitra ny paty dia somary masahana anaty lafaoro efa nafanaina ( jereo fanaovana pâte brisée etsy ambany)
- Mandra-piandry izay, kapohana ny atody sy siramamy ary yaourt, rehefa mifangaro tsara dia arotsaka ao ilay paoma voaendy. Araraka ao anatin' ilay paty efa somary mivolombolamena dia atsofoka lafaoro eo amin'ny 45minitra. 

 

Mazotoa o 

 

Raha hanamboatra pate brisée dia toy izao :

 

Zavatra ilaina:

250g lafarina,
125g dibera malemy,
sira 1 tsongo,
atody 1.

Fikarakarana azy

 

Pâte brisée: maka bol atao ao ny lafarina, arotsaka ny dibera efa malemy en dé sy sira dia akambana amin'ny ratsan-tanana atao mifangaro tsara ka mahazo ohatran'ny fasika ianao dia arotsaka ny atody dia volavolaina hahazo boule ary avela hipetraka 30min na 1h eo.
Afanaina ny laforo @ 180ºc.
Rehefa zay dia fisahana avy eo dia velarina amin'ny lasitra ny pate brisé dia tsidromina sotro rovitra ny ampivoany ary asina tsaramaso maina mba tsy hibotsina dia atao anaty laforo. (io no antsoina hoe "cuit à blanc" ) eo amin'ny 10 à 15min eo araky ny lafaoro, avy eo dia tohizana ny recette. 

Nahandron'i Donnat Rajaonaly sy Aina Rakotoarisoa (ny pate brisée)