Tarte au pomme 1

Portrait de Angie
590

TARTE AU POMME

ZAVATRA ILAINA

pate brisee

Paoma "golden" 4
Tamenakatody 1
Lafarina 1cas
Dibera 150g
Creme liquide (Hopla…)100ml
Siramamy
Rano kely

FIKARAKARANA:

- Voasana ny paoma

-Maka paoma 1 atao "compote" :paoma 1sy siramamy sahabo eo amin'ny 2 sotro eo dia ampiana ilay rano kely dia andrahoina atao malemy tsy voatery ho potika be ary ampangatsiahana avy eo.
- Arotsaka ao anatin'ilay compote ny tamenakatosy sy ny "creme liquide", ny lafarina, ny dibera100g efa malemy tsara ary farany ny siramamy dia afangaro tsara.

- Afanaina ny lafaoro

- Tetehana manify ohatrany amin'ny sary ny ambin'ilay paoma (3)

- Alaina ilay pate brise dia velarina anaty lasitra ary lavadavahana amin'ny "fourchette", araraka eo amboniny ilay "compote" efa miaraka amin'ireo fangaro tetsy ambony avy eo.

- Alahadahatra otrany eo amin'ny sary ilay paoma efa votetika manify.

- tetitetehana kely ilay ambina dibera 50g dia apetrapetraka eo ambonin'ilay paoma efa voalahatra.

-Andrahoina ao anaty lafaoro 200°c mandritra ny 30mn.

* Fanamarihana kely, rehefa eo ho eo amin'ny 10mn tsy hibatana azy dia raraho siramamy eo amboniny mba hivoka tsara ny lokony.

Mazotoa indray ary o!

Nahandron'i Ony Rakotondramanana