Tarte aux mirabelles amandines

Portrait de Angie
1157

Miarahaba o 

SAKAFO MARAINA na GOUTER : TARTE AUX MIRABELLES AMANDINES 

Ny mirabelles moa dia karazana paiso rankena amintsika malagasy

Zavatra ilaina
Pâte feuilletée 1
Paiso "Mirabelles" 500g
Siramamy 50g (cassonade no nampiasaiko teto)
Amandes vovony 50g
Amandes effilées 50g
Dibera 50g
Atody 1
Fécule 1sotrokely

Fikarakarana azy

Sasana ny paiso "mirabelles" dia fafana tsara ho maina ary esorina ny voany

Hafanaina 180°C ny lafaoro
Atao ao anaty lasitra ny "pâte feuilletée" tsindrotsindronina amin'ny sotro rovitra ny fanambaniny.
Potsipotsehina ao anaty bol ny dibera dia araraka ao ny siramamy, ny amandes vovony , ny atody , ny fécule afangaro tsara mandrapahazo lakirema
Araraka ao anatin'ilay "pâte feuilletée" ny lakrema azo, lalorina tsara dia alahatra tsara eo ambony indray ny "Mirabelles" ary rarahana ilay "amandes effilées"
Ampidirana lafaoro efa mafana tsara ka 35mninitra eo dia masaka 

Mazotoa o 
Nahandron'i Lalah Gie